Nankalazaina maneran-tany omaly zoma 22 febroary ny andro naterahan’ny raiben’ny skotisma, Baden Powell. Anisan’ny nanamarika izay ihany koa isika eto Madagasikara.
Ho fanamarihana azy io dia nampahafantarina tetsy amin’ny foibe FJKM etsy Analakely omaly ny fivoahan’ireo boky sy raki-peo hanampiana ireo mpiandraikitra eo anivon’ny skotisma eto Madagasikara hanabeazana ny tanora Malagasy. Iaraha-mahalala, hoy izy ireo fa miha sarotra ny fanabeazana ny tanora amin’izao fotoana ary izay no anton’ireto vokatra hamidy etsy Antsahamanitra manomboka amin’ity herinandro ity ireto. Tsy horarana ny fanaovana “pirate” satria ny hanaparitaka azy no tanjona. Halaina mihitsy ny hevitr’ireo tanora mba hahafahana manitsy azy, hoy ny fanazavana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.