Actualités

Fanabeazana eto Madagasikara Olana fototra ny kalitaom-pampianarana


  • Zoma 15 Janoary 2016

Nihemotra tamin’ny fanapahan-keviny mandrara ireo kandida mahaleotena ho anisan’ireo mpifaninana amin’ny fanadinam-panjakana eto Madagasikara ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena

 

. Anisan’ny nampidina ny taham-pahafaham-panadinana ofisialin’ireo mpianatra Malagasy mantsy ireo mpiadina ivelan’ny sekoly, araka ny fanamarihana avy amin’ny sampandraharaha ankapobeny misahana ny Fanabeazana fototra sy ny Fampianarana mamaky teny sy manoratra. Nisy moa ny fifandresen-dahatra teo amin’ireo tompon’andraiki-panjakana sy ireo solontenan’ny sekoly tsy miankina. Antony mety nahatonga io fiovan-kevitra tampoka avy amin’ny mpitondra fanjakana io. Vahaolana tampoka tsy nampoizin’ny maro rahateo iny fampiakarana ny saram-pisoratana anarana amin’ny fanadinam-panjakana ofisialy navoakan’ny Ofisy nasionalin’ny bakalorea iny. Ny manaitra kely ao anatin’ilay fisondrotana fotsiny dia ny fidangan’ny saram-pisoratana ho an’ireo mpifaninana tsy miankina amin’ny sekoly izay mahatratra 67% izay toa fanakanana an-kolaka ireto farany. Fepetra vonjy tavanandro fotsiny io noraisin’ny fanjakana io fa tsy hahavaha ny olana fototra mikiky ny fampianarana eto Madagasikara, hoy ny hevitry ny maro. Ilaina jerena akaiky mantsy ho an’ireto farany, ny kalitaon’ny fanabeazana sy ny fomba rehetra tokony hanohanana ireo mpianatra amin’ny ankapobeny.

Ramano F.


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT