Actualités

Fanabeazana ara-panatanjahantena Betsaka ireo sekoly tsy manana mpampianatra


  • Alatsinainy 25 Aprily 2016

Mbola betsaka ireo sekoly tsy manana mpampianatra ara-panatanjahantena eto Madagasikara, raha tokony hanana mpampianatra ara-panatanjahantena iray ny sekoly iray na miankina na tsy miankina amin’ny Fanjakana.

 

 Ankoatra izay dia mbola mahatratra 100 ihany koa ireo mpampianatra ara-panatanjahantena tokony mbola horaisina ho mpiasam-panjakana. Hatramin’izay mantsy dia mbola 500 monja ny isan’izy ireo izay efa nisy nivoaka nandeha nisotro ronono ny sasany. Vokany, mihena an-toerana hatrany ny isan’ ireo mpampianatra ara-panatanjahantena eto amintsika, antony nitsanganan’ny SPEPS (Syndicat des professeurs d’éducation physique et sportive à Madagascar) tamim-pomba ofisialy ny faran’ny herinandro teo, misy mpikambana folo tarihin’ny filoha nasionaliny Razanajatovo Bruno Lando. Antom-pijoroan’ny sendika ny hiaro ny zon’ireo mpampianatra ara-panatanjahantena manerana an’i Madagasikara. Nanatanteraka fivoriana teto an-drenivohitra ny mpikambana rehetra avy any amin’ny faritra ny sabotsy teo, fotoana nanatanterahan’izy ireo fihaonambe nentina nitadiavana paikady ihany koa.

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT