Ao anatin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fanabeazana aizana dia nosokafan-dry zareo avy anivon’ny
Marie Stopes Madagascar na ilay toeram-pitsaboana misahana izany tetsy Analakely omaly ny fanentanana maro samihafa momba izany. 33% no taham-pahavitrihan’ireo vehivavy efa miray ara-nofo sahy manao ity karazana fandrindram-piterahana ity. 13 taona no ho miakatra moa, raha ny fanazavana, dia efa afaka mampiasa azy ity. Misy karazany telo ny fomba fandrindrana ny fiterahana dia ny maharitra sy tsy maharitra, izay be mpampiasa indrindra, ary ny fampiatoana ny fiterahana. Toy ny fanafody rehetra moa dia misy fiantrainkany amin’ny fahasalamana ihany koa ny fanaovana fanabeazana aizana raha toa ka tsy mifanaraka amin’ny toe-batan’ilay olona mampiasa azy ilay fanafody nofidiany.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.