Ny 1,5%-n’ny fangatahana natao ihany no azon’ireo mpampianatra mivondrona ao anatin’ny Sempama nosy na ny sendikan’ny mpampianatra Malagasy manerana ny nosy, raha ny fanazavan’ny mpitondra tenin’izy ireo.
Nisy ny fihaonambe nataon’ny sendika tetsy Mahamasina omaly ary tanjona tamin’ny fihaonana ny hijerena ny kalitaon’ny fanabeazana eto amin’ny firenena. Tsy ny eo amin’ny resaka teknika ihany anefa fa ny lafiny fampirisihana ireo mpampianatra koa, hoy ny mpitondra teny. Maro ireo dingana efa natao, toy ny fanangonan-kevitra isam-paritra. Handray fanapahan-kevitra etsy Mahamasina anio ireto mpampianatra ireto mikasika ny fangatahana hataon’izy ireo. Anisan’ny angatahany ny fanafoanana ny fifanarahana lava loatra mialoha ny handraisana azy ireo ho mpiasam-panjakana sy ny fanomezana ara-potoana ny tohana ara-bola avy amin’ny fanjakana (subvention) tokony ho anjarany. 220 anatina sendika miisa 13 no solontenan’ireo avy any amin’ny faritra tonga hanapa-kevitra miaraka amin’ireo mpampianatra avy eto Antananarivo anio.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.