Actualités

Fampisongadinana an’i Madagasikara Orinasa Malagasy maro hamonjy foara any Washington


  • Alarobia 05 Novambra 2014

Orinasa sy mpandraharaha Malagasy maro no fantatra fa handray anjara amin’ny foaraben’ny Noely hatao any Washington Etazonia ny 11 hatramin’ny 21 ny volana novambra ho avy izao.

Raha ny nambaran’ny avy ao amin’ny MEVA izay tompomarika amin’ny hetsika dia voasolotena any avokoa ireo seha-pihariana misy eto Madagasikara, anisan’ireny ny asa tanana sy ny taozavatra, ary ireo rehetra izay mampiavaka ny Malagasy amin’ny lafiny fihariana sy ny kanto. Hisy ihany koa ny varotra manokana ho an’ireo olona ambony any an-toerana, miampy fifanakalozana mivantana amin’ireo samy mpandraharaha entina hisarihana ireo mpampiasa vola ho eto Madagasikara. Nomarihin’ny mpikarakara fa voalohany i Madagasikara no handray anjara amin’ity hetsika izay karakarain’ny Banky Iraisam-pirenena ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT