Actualités

Fampiroboroboana ny vaky boky Lesoka ny tsy fahampian’ny trano famakiam-boky


  • Zoma 22 Aprily 2016

Mbola lesoka goavana hita eto amintsika hatreto ny tsy fahampian’ny trano famakiam-boky, antony tsy mahasarika ny ankizy mpianatra hamaky sy ho tia boky, indrindra fa ny eny anivon’ireo sekolim-panjakana.

 

Amin’ny ankapobeny anefa dia tokony hahavaky karazana boky miisa folo ny ankizy mpianatra iray ao anatin’ny taom-pianarana iray, raha araka ny fanazavan-dRaboanary Hanta, tompon’andraikitra eo anivon’ny vaomieram-pirenena Malagasy ao amin’ny UNESCO. Tokony hanana trano famakiam-boky avokoa ny sekoly tsirairay, ezaka efa nataon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena tato anatin’ny telo taona izao. Tanjony ny hampiroboroboana hatrany ny vaky boky, indrindra fa ho an’ny tanora hahafahan’izy ireo mampitombo ny fahalalana azony. Hankalazaina rahampitso sabotsy ny andro iraisam-pirenena ho an’ny boky sy ny zon’ny mpamorona. Adihevitra mikasika ny anjara toeran’ny boky sy ny tombontsoa azo avy aminy no nentina nanamarihana izany omaly tetsy amin’ny UNESCO Behoririka, niarahana tamin’ireo mpikambana matihanina amin’ny fitantanana ny tranomboky sy ny fampitam-baovao eto amintsika na ny APBIM. Tsiahivina moa fa tamin’ny taona 1995 no nanaovantsika ny sonia fifanarahana tamin’ny Unesco fa hatao ho andro iraisam-pirenena ho an’ny boky sy ny zon’ny mpamorona ny datin’ny 23 aprily.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT