Actualités

Fampiroboroboana ny mozika nentin-drazana Miala any ny Jery Studio


  • Alakamisy 02 Oktobra 2014

Ho fampiroboroboana ny mozika nentin-drazana sy fampivoarana ny sehatry ny kanto eto Madagasikara dia niezaka nitady ny tsaratsara kokoa hatrany ny mpanakanto ka misokatra manomboka izao etsy Avaradoha ny Jery studio

Vokatry ny  fiaraha-miasan'ilay mpanakanto fanta-daza eo amin'ny sehatry ny fitendrena valiha Rajery sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy, indrindra fa ny fitiavany ny kanto no anton’izao raha ny voalazany. Efitra roa samy arifomba sy efa misy ny fitaovana rehetra ilaina no miandry ireo izay te hilalao ny mozika  ao amin'ny Jery Studio. Fanohizana ny fiandraiketana ireo hira rehetra ho vakoka, fampiofanana ireo teknisianina sy ireo artista ho matihanina hatrany no tena  tanjony raha ny voalaza hatrany. Afaka mifampizara traikefa amin'ireo namana na eto an- toerana na avy any ivelany ireo izay liana. Raha ny fantatra dia  hisy ihany koa ny fanondrotana ireo mpanakanto vaovao ataony aoriana kely.  Mirary dia mirary ny fandraisana anjara ao amin’ity trano famokarana ity raha ny nambarany ka miandry ny mpilalao rehetra ny tenany.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT