Actualités

Fampiroboroboana ny fotodrafitrasa Hapetraka tsy ho ela ny politikam-pirenena


  • Zoma 18 Oktobra 2019

Ny Alarobia 16 sy Alakamisy 17 Oktobra 2019 no natao tao amin’ny Holidays Amborovy Mahajanga ny atrik’asa iraisam-paritra fakan-kevitra,

 hamolavolana sy hametrahana ny politikam-pirenena momba ny fampiroborobona ny fotodrafitrasa sy ny fampitaovana na PNDIE (Politique Nationale de Dévéloppement des Infrastructures et Equipements). Fakan-kevitra iraisam-paritra izay nandraisan’ireo Prefen’i Diana, Sava, Sofia ary Betsiboka anjara.  Tao ihany koa ireo Foibem-paritra  sy Sampandraharam-panjakana ary ireo “comité d’orientation et d’élaboration de la PNDIE”. Notsiahivin’ny Talem-paritry ny Fanajariana ny Tany, ny Toeram-ponenana ary ny Asa vaventy eto Boeny, Rtoa Ramangazafiharivony fa ny taona 2016 hatramin’ny 2018 no efa nisy ny fanadihadiana sava ranonando mikasika ity politikam-pirenena momba ny fampiroborobona ny foto-drafitr’asa sy ny fampitaovana ity ho an’ireo faritra rehetra manerana an’i Madagasikara. Fakan-kevitra avy tamin’ireo mpizaika kosa ny dingana natao. Izy ireo izay samy tompon’andraikitra voalohany amin’ny asany avy, ka afaka manazava ireo filàna fotodrafitrasa sy fampitaovana: ankilany hanatanterahan’izy ireo ny asany, ary andaniny hamaliany ny filan’ny vahoaka mila fandraharahana aminy. Efa vita tao  Antananarivo ny  fakan-kevitra ho an’Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, ary Bongolava. Mifanindran-dàlana amin’ny  eto Boeny izao kosa ny an’ny faritra Atsinanana. Kasaina havoaka mialohan’ny faran’ny taona ny boky mirakitra ity politikam-pirenena momba ny fampiroborobona ny fotodrafitrasa sy ny fampitaovana ity rehefa voaravona avokoa ireo  tolo-kevitra rehetra isam-paritra, hoy Rtoa Talem-paritry ny MATHTP Boeny.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT