Be loatra ny halatra omby mitranga eto amin’ny firenena, indrindra fa ny any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy.
Ahiana ho lany tamingana araka izany, ny omby. Misy hatrany ihany koa ny ra latsaka, antony nanosika ny profesora Tsiavaliky Célestin mpikambana ao anatin’ilay fikambanana Apostoly 12 hikarakara ilay fampirantiana momba ny omby gasy etsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely, hetsika efa notanterahina teny amin’ny akademia eny Tsimbazaza, tapa-bolana lasa izay. Ny 20 ka hatramin’ny 24 desambra ho avy izao no hanatanterahana izany ao anatin’ilay lohahevitra “ foano ny lahatra omby manerana ny Nosy hahafahana miaro ny ain’ny mpiarabelona ihany koa” Hisy ny valandresaka hotanterahina manodidina izany izay handraisan’ireo mpandamina fiarahamonina, mpanao asa soa eto amin’ny firenena anjara. Nomarihin’ny profesora fa tena mifanohitra amin’ny habetsahan’ireo karazana antoko politika miisa 371 sy ireo antokom-pinoana 230 ary fikambanana samihafa eto amintsika ny fitombon’ny vono olona isan’andro sy ny halatra omby eto amin’ny firenena.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.