Ao anatin’ny famaranana ilay fampirantiana an’i Madagasikara avy any Paris - Frantsa amin’ny alalan’ny tranokala amin’izao ireo mpikarakara dia ny fondation H sy ny Telma ary ny Groupe Axian.
Fampirantiana ny ara Malagasy izay misy vakoka 360 mampiavaka ny firenena ary aranty any amin’ny tranombakoka Quai Branly izany. Nofaranana tamin’ireo sekoly ahian’ny Telma tahaka ny EPP avy amin’ny faritra sahirana eto Antananarivo ny fijerena ny fampirantiana avy any Parisy. Tsiahivina fa 72 taona izay no tsy nisy fampirantiana momba an’i Madagasikara teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ka izay no antom-pisian’ity fanehoana mitondra ny lohateny hoe « Madagascar: arts de la grande île » any Paris ity. Nalefa mivantana nojeren’ireo mpianatra ireo ny fampirantiana lehibe momba an’i Madagasikara omaly alatsinainy 10 desambra tetsy amin’ny IFM Analakely. Izany no tanteraka dia noho ny teknolojia avo lenta nampiasain’ny Telma ka nampifandray mivantana ny teto Madagasikara sy ny tany Paris. Ankoatra ity hetsika ity dia hisy ny ezaka fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny kolontsaina hataon’ny Groupe Axian ny amin’ny fiarovana ny haren’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fananganana tetikasa sy fotodrafitrasa mba holovain’ny taranaka.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.