Actualités

Fampihorohoroana sy famonoana mpanao gazety frantsay Manameloka izany ny Holafitry ny mpanao gazety malagasy


  • Alakamisy 08 Janoary 2015

Omaly alarobia mitataovovonana tao amin’ny foiben’ny gazety Charlie Hebdo tao Paris dia olona miisa 12 no indray maty noho ny herisetra sy ny sompatra nataon’ny mpampihorohoro…

Olona roa nitana fitaovam-piadiana mahery vaika no niditra an-keriny tamin’ity birao fanaovan-gazety ity, ary nanao ny danin’ny kibony tamin’ny tifitra variraraka. Efa tonga teny amin’ny foiben’ny gazety avy hatrany ny filoha frantsay Hollande nijery ny zava-misy. Tsy mazava loatra ny anton’ny famonoana fa mbola mandeha ny fanadihadiana ataon’ny manampahefana frantsay. Mpanao sary itatra malaza toa an-dry Cabu, Charb, Tignous no nindaosin’ny fahafatesana omaly io.

Noho izany indrindra dia manameloka ny herisetra atao amin’ny mpanao gazety ny holafitry ny mpanao gazety malagasy, hoy ny filohany Rakotonirina Gérard, na inona na inona anton’izao famonoana izao. Tsy misy antony tokony hanaovana herisetra amin’ny mpampahalala vaovao na koa hilana vaniny amin’izy ireo noho ny famitany ny asany. Aoka ny herisetra hitsahatra sy tsy hahazo laka eto amin’izao tontolo izao fa izany ihany no mahatonga ny fihemorana eo amin’ny fandrosoan’ny zanak’olombelona. Marina fa aty lavitra isika, hoy Rakoronirina Gérard, kanefa zava-dehibe ho amin’ny fiarovana ny asa sy ny hasarobidin’izany ny fanamelohana ny fisehoan-javatra toy itony.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT