Actualités

Fampihavanana tany Farafangana Misy ambadika politika ?


  • Alatsinainy 21 Martsa 2016

Ny sabotsy teo no tontosa tao amin’ny kianja malalak’i Farafangana ny fampihavanana ny foko

 

Zafisoro sy Antefasy izay nisy fifanolanana efa an-taonany maro vokatry ny fiadiana sisin-tany ka niafara tamina fifampikasihan-tanana. Tonga tany an-toerana ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina sy ny praiminisitra Ravelonarivo Jean nitarika ny hetsika. Nanatrika ny fotoana koa ny mpitarika ny komitin’ny Fampihavanam-pirenena malagasy na ny FFM ny  jeneraly Rabotoarison Sylvain Charles izay avy any an-toerana ihany koa. Natao izao, hoy ny filoham-pirenena handravonana ny disadisa nisy teo amin’ny foko roa tonta mba hanamafisana orina indray ny  fampandrosoana sy mba ho tandindon’ny fampihavanam-pirenena ihany koa.

Ny fampihavanana dia zavatra tsara hatrany. Ny nahalasa saina sy ny nampametra-panontaniana dia ny hoe fa angaha moa tena tsy nifanaraka mihitsy ireo foko roa ireo ary inona no niseho tato ho ato ka nahatonga an’ilay fanapahan-kevitra somary tampoka ihany ? Raha ny fahafantarana azy  mantsy dia efa navalon’ny tantara ela ny disadisa nisy teo amin’ireto foko roa ireto. Ny   zava-dehibe  dia ny firavonan’ny disadisa ary tena mba hihavana tokoa fa tsy hisy ambadibadika politika indray ao an-damosin’ireny fihetsiketsehana ireny.

Nentina nanamarihana ny fotoana dia nanolotra omby 14 ho nofon-kena mitam-pihavanana ny filoha sady nanao ireo teny fampanantenana mahazatra izay fanaony toy ny hanamboarana ny lalana mampitohy  an’i Vangaindrano sy Tolagnaro sy ireo fotodrafitrasa firesany andavanandro ireny e ! Nambarany ihany koa fa laharam-pahamehan’ny governemanta ny fampihavanana ary mila olona tena tia tanindrazana i Madagasikara. 3 taona teo amin’ny fitondrana anefa ingahy filoha fa tsy hita mivaingana ny vokatry ny fampihavanam-pirenena ary tsy misy fitoniana eto.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT