Actualités

Fampihavanam-pirenena Tokony havela hiasa malalaka ny FFKM


  • Zoma 28 Novambra 2014

Efa nijoro sy nandray ny andraikiny amin’ny fampihavanam-pirenena ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy ao amin’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara

Isaorana lehibe azy ireo izany saingy anjaran’ny rehetra kosa ny mitondra ny anjara birikim-panohanana amin’ny fanatanterahana izany hatramin’ny farany, hoy ny mpikambana tao amin’ny kongresin’ny tetezamita Razafimbelo Jacques. Tsy andron’ny fiziriziriana sy ny tsikera intsony izao fa fotoana hirosoana amin’ny tena fampihavanana ahitana dingana maromaro. Ekena fa raiamandrenin’ny Malagasy rehetra ny filohan’ny Repoblika ary andrim-panjakana ara-dalàna ny Filankevitry ny Fampihavanam-pirenena malagasy saingy tafiditra lalina tao amin’ny krizy naharitra teto amin’ny firenena ka rariny sy hitsiny raha raisin’ny FFKM an-tanana ny famerenana ny firaisan-kinan’ny malagasy, hoy ity efa solombavambahoakan’i Madagasikara teo aloha ity. Tsy tokony hohadinoina fa samy nanao hadisoana avokoa ka ilaina ny fiaiken-keloka imasom-bahoaka. Mila avoaka anefa ny marina izay vao miaiky heloka mialoha ny fifamelana sy ny tena fampihavanam-pirenena

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT