Actualités

Fampihavanam-pirenena Fady ho an’ny HVM


  • Alakamisy 17 Desambra 2015

Andro vitsy sisa isaina dia hivalona any amin’ny varo-tsy mifody ny taona 2015. Hifarana amin-dromoromo anefa raha ny zava-mitranga etsy sy eroa no zohina.

 

 Raha natao litania tany amin’ny fiandohan’ny taona ny fampihavanam-pirenena, dia tsy misy mpiresaka intsony, toa zary fady ny fitondrana Rajaonarimampianina mihitsy aza ankehitriny. Manangan’ady etsy sy eroa indray aza no ataon’ny HVM. Mifandimby lasibatra amin’izany i Marc Ravalomanana sy ny fianakaviany, ary faramparany izao i Andry Rajoelina sy ny Mapar tarihiny.

Sambany

Efa tsy nihevitra ny hiroso amin’ny fampihavanam-pirenena ireo zanaky ny tetezamita, anisany izao fitondrana HVM izao, na dia voalazan’ny tondrozotra izay efa lasa lalàna manan-kery aza ny hanatanterahana azy. Ny fahatongavan’ny filoha Marc Ravalomanana tampoka an-tanindrazana ny 12 oktobra 2014 no nampikoropaka ny rehetra, fa tsy azo ihodivirana ny fampihavanam-pirenena. Nantsoina ny FFKM handray an-tanana ilay izy. Tetsy an-kilany, ny iraisam-pirenena dia nametraka ny fanatanterahana io fampihavanam-pirenena io, ho fepetra hahazoana famatsiam-bola. Sambany, nanomboka tamin’ny 19 desambra 2014 no nifanatri-tava sy nihaona an-databatra boribory ireo filoha dimy, dia ireo filoham-pirenena efatra Hery Rajaonarimampianina, Didier Ratsiraka, Zafy Albert ary Marc Ravalomanana niampy ny filohan’ny tetezamita Andry Nirina Rajoelina. Fihaonana in-8 miantoana no tontosa, notarihin’ny FFKM nanomboka teo. Nisy ny natao teny amin’ny hotely kintana 5 eny amin’ny CCI Ivato ny sasany tao amin’ny Palais des Sports Mahamasina.

Nisy fanontaniana 33, novolavolain’ny SEFIP ary nomen’ny FFKM azy dimy lahy hovaliana, handrafetana ny fototry ny fampihavanam-pirenena tian-kapetraka eto amin’ny firenena. Nitarina tany amin’ny faritra ny fihaonana ary naravona nandritra ny fihaonambem-pirenena teny amin’ny CCI Ivato tamin’ny volana aprily sy fiandohan’ny volana mey 2015.

Nitsoaka an-daharana

Nahatratra 19 takila ny fehin-kevitra ary nisy vaomiera roa natsangana hanara-maso ny fampiharana izay tinapaka. Teo dia efa nitsefotra ny raharaha, satria tsy tonga nanao sonia ny fehin-kevitra nivoaka tamin’izany ny Pr Zafy Albert sy Andry Rajoelina. Zaran’ny fitondrana HVM aza nisy an’izany fitsoahana an-daharan’ny mpandray anjara sasany izany, ka dia nataony tsara tahiry any anaty vatasarihana ihany koa ny fehin-kevitra nankatoavin’ny mpizaika an’arivony teny amin’ny CCI Ivato. Zary fampiesonana ihany koa ny kabary tsara lahatra nifanesy ny sabotsy 2 mey 2015, andro famaranana ny fihaonambem-pirenena. Tsy voajoro ara-panjakana hatramin’izao ireo komity roa tokony hanampy sy hanara-maso ny fampiharana ny fehin-kevitra. Nihevitra anefa ny Malagasy fa pejy vaovao eo amin’ny tantaran’i Madagasikara no nisokatra nanomboka ny sabotsy 2 mey 2015, nifaranan’ny fihaonambem-pirenena. Dingana lehibe no vita, namelona indray ny fanantenana ao am-pon’ny tsirairay ary nandrehitra ny afon’ny fitiavan-tanindrazana ny fahitana fa azo atao tsara ny mifanazava, mifamela ary miasa miaraka ho amin’ny fampandrosoana ny firenena.


Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT