Actualités

Fampiharana ny miralenta Tsy mbola ampy ny fandraisan’andraikitry ny vehivavy


  • Alarobia 03 Desambra 2014

Taorian’ny fandanian’ireo solombavambahoaka vitsy tonga nivory teny Tsimbazaza omaly (roa no nitsipaka) ny fandaharam-potoana manaraka amin’izao fivoriana ara-potoana faharoa hatrehan’izy ireo izao ka nisongadinan’ny hisian’ny “face-ŕ-face”

eo amin’ny governemanta sy ireo solombavambahoaka indray ny faha-12 desambra izao dia tonga namelabelatra tamin’ireo depiote tsy an-kanavaka ny vokatry ny asa nikelezan’izy ireo aina nandritra ny fotoana maharitra ny amin’ny fampanjakana ny miralenta eto amintsika ka natomboky ry zareo tamin’ny fanadihadiana ny 25 taona lasa nandraisan’ny vehivavy andraikitra teto amin’ny firenena Malagasy ny EISA (Institut Electoral pour une Démocratie durable en Afrique) na dia vao tamin’ny taona 1996 aza no niforonany tatsy Johannesburg Afrika Atsimo. Raha notarafina avy amin’ny fandraisan’ny vehivavy anjara anatina parlemanta teto amintsika izany dia azo ambara fa misy fivoarany kely nefa tsy ampy ny fandraisan’ny vehivavy andraikitra eo amin’ny sehatra politika sy fitantanan-draharaham-pirenena eto Madagasikara. Niainga tamin’ny 5% izany tany am-boalohany, niakatra ho 10% tamin’ny 2001-2002 na 2007ary efa mba tafakatra mihoatra ny 20,5 % ankehitriny. Anisan’ny mbola mahalavitra ny resaka miralenta araka ny Eisa, ny tsy fisian’ny fifaneraserana matotra eo amin’ny tompon’andraiki-panjakana toy ny solombavambahoaka sy ireo fiarahamonim-pirenena tahaka ny Eisa, ny mbola fampiasana ny voambolana frantsay amin’ny fifidianana samihafa toy ny hoe “élection du président” .

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT