Actualités

Fampiharana ny miralenta Mitarazoka ny eto Madagasikara


  • Alakamisy 01 Desambra 2016

Betsaka ireo sonia efa nataontsika teto Madagasikara mikasika ny fampiharana ny miralenta saingy tsy mbola hita izay tena fampiharana azy.

 

 Toraka izany koa ny voasoratra ao amin’ny lalàmpanorenana izay milaza mazava fa mitovy zo ny lahy sy ny vavy  nefa  tsy hita mazava tsara ny tena fanatanterahana azy, hoy Ramatoa Alphine Papisy, masoivohon’ny Gender Links eto Madagasikara. Antony hanatanterahana ilay fihaonambe nasionaly  andiany fahafito  ho fampiharana ny fenitra  iraisam-pirenena  napetraky ny SADC tanterahina etsy amin’ny Le pavé Antaninarenina nanomboka omaly izany, haharitra telo  andro. Anisan’ny mandray anjara mavitrika amin’izany ireo fikambanana miady amin’ny herisetra eny anivon’ny fokontany sy ny kaominina ary ny distrika maro samihafa izay samy haneho ny hevitra mikasika ny ady hatao amin’ny herisetra mahazo ny vehivavy sy ny tovovavy eto amintsika avokoa. “Hifanome tanana isika hampanjary ny fizakantenan’ny vehivavy sy ny zatovovavy” no no  lohahevitra nampitondraina ny hetsika izay handraisana tsoa-kevitra lehibe avy amin’ny mpizaika. Anisan’ny hanaovana ezaka eto amintsika ny fampandraisan’anjara ny vehivavy  eo amin’ny sehatry ny fanapahan-kevitra. Mbola vao ny 5 %-n’ny vehivavy monja mantsy no Ben’ny tanàna, 8 % ny mpanolotsaina kaominaly, ary tsy misy mihitsy ny Lehiben’ny Faritra.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT