Actualités

Fampiharana ny lalŕna Tsy tomombana, hoy ny mpiraki-draharaha


  • Alarobia 12 Oktobra 2016

Amin’izao fotoana izao ka hatramin’ny 14 oktobra dia ofanina, toy ny isan-taona indray, ireo mpiara-miasa rehetra eo anivon’ny firaketan-draharaham-panjakana eto amintsika.

Lohahevitra fototra amin’ity taona ity ny fijerena ny tokony ho fanatanterahana ireo lalàna misy eto amin’ny tany sy ny firenena araka ny tokony ho izy. Nanazava, tetsy  amin’ny sekoly momba izany (ENMG) etsy Tsaralalana, ary ireo mpampiofana fa tsapa ny tsy fahatomombanana eo amin’izay sehatry ny fampiharana lalàna izay eto amintsika. Misy aza, hoy izy ireo, sehatra hafa izay tena ihodiviran’izany fampiharana lalàna izany tanteraka ary isan’ny voakasik’izany ny eo amin’ny lafiny ady heloka.

Tsy mazava ny olana

Araka ny fanazavan’ny tonia mpampanoa lalàna ao amin’ny fiadidiam-pitsarana Fianarantsoa, Randriandriana Ramahandrisoa Edmond, azy dia tsara kokoa raha avy hatrany dia ahompana any amin’ny tanjona ny ady hevitra mikasika ny atrikasa dia ny ahitan’ny vahoaka fomba fitsarana vaovao. Tsy dia nanazava loatra ny mikasika ny tena olana eo amin’izay lafiny fitsarana izay ny tenany, noho izany. Ny fanatsarana ny fomba fiasa sy ny fahaiza-manaon’ny mpiraki-draharaha, hoy izy, no zava-dehibe mba hisian’ny fangaharaharana sy tsy fitanilana eo amin’ny tontolon’ny fitsarana malagasy.

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT