Actualités

Fampiharan-dalŕna eto Madagasikara Misy fiangarana goavana


  • Alarobia 12 Aprily 2017

Tsy takona afenina intsony ny tombo sy hala eto amin’ny firenena, indrindra fa ny fampiharan-dalŕna.

Any amin’ny madinika ihany no toa mihatra ny lalàna toy ny ziogan’ny tsindry hazo lena, ka hireharehan’ny mpitondra fa mihatra ny tany tan-dalàna sy ny firenena tsara tantana. Tsy mba misy mpijery sy mpiahy anefa ny vahoaka madinika fa fampanantenana poakaty sy tsy firaharahaina tsotr’izao no mahazo azy, raha tsy hilaza afatsy ny raharaha Antsakabary. Efa ny 18 febroary no nisehoan’ny raharaha fitsaram-bahoaka nahafatesana polisy 2, ka olona 5 no naiditra am-ponja. Tsy nisy tohiny intsony kosa ny resaka fandorana tanàna, izay voalaza fa polisy manodidina ny 40 nalefa tany no tompon’antoka, kanefa trano 487 no kila forehitra, ary 1449 no traboina. Na ny fanampiana ireo traboina aza tsy mba naterina tany amin’izy ireo fa napetraka tany amin’ny “Pont Sofia”, izay midika fa tsy laharam-pahamehana ho an’ny mpitondra mihitsy ity raharaha iray ity fa toa fiatsarambelatsihy no betsaka. Satria ve ao anaty rafi-panjakana sy manana basy ny polisim-pirenena, dia tsara aro sy tsy azon’ny lalàna enjehina, ka dia nampandriana adrisa ny vahoak’Antsakabary hoe efa mandeha ny fanadihadiana ? Tamin’ny 22 febroary no nisian’ny fandoroana ary efa 12 aprily isika izao, saingy aiza izay valin’ny fanadihadiana nampanantenaina ? Tetsy an-kilany, nogadraina i Hiary Rapanoelina noho ny resaka tany anaty fesiboky amin’ny fikasana haka an-keriny zanaka mpandraharaha iray, izay tsy nisy sy tsy tanteraka akory. Nampitondraina ny mangidy any am-ponja ilay vehivavy mpampianatra nikasi-tanana mpianatra. Mailaka ery ny fanjakana nandray fanapahan-kevitra tamin’ireny raharaha ireny, fa mangina sy tsy re feo manoloana ireo heloka tsy roa aman-tany sy afera maloto mamoa-doza. Ekena fa nisy ny fandika-dalàna saingy tsy manamaivana ny vesatra sy heloka nanenjehana ireo olona 2 ireo fa tsy misy dikany ny vesatra hanenjehana azy ireo raha mitaha amin’ny resaka fandorana  trano 487 sy ny kolikoly mitentina 500 000 000Ariary sy ny maro hafa tsy mbola vita fanadihadiana an-dRazaimamonjy Claudine. Izany tokoa angamba ny hoe: kely tsy mba mamindro !

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT