Actualités

Fampielezana horonantsary sy sary mamoafady Mampitandrina ny rehetra ny fanjakana


  • Alatsinainy 11 Febroary 2019

Miha mahazo vahana amin`ny haino aman-jery sasantsasany sy any anaty tambajotra sosialy ny horonantsary na sary voasokajy ho mamoafady miendrika vetaveta na koa mitarika amina fihetsika tsy voahevitra, ary koa tsy manaja ny soatoavina Malagasy.

 

 

 Tafiditra ao anatin`izany ireo rakitsary (clip) mampandihy fitombenana sy ireo fihetsika mamoafady hafa. Nampatsiahy ny teo anivon`ny minisiteran`ny serasera, mba hiarovana ireo zaza tsy ampy taona, ka nampitandrina ny rehetra, indrindra ny mpamokatra sy ny haino aman-jery na ny tambajotran-tserasera, ny amin`ny famoahana sary na horonantsary mamoafady. Voararan’ny lalàna tanteraka io ary raha misy mbola minia manao dia hiroso amin`ny fanasaziana ny fanjakana. Voarakitra ao anatin`ny fehezan-dalàna momba ny serasera izany ka miantso ny rehetra hanaja ny lalàna ny minisitera. Mifanohitra amin`ny kolontsaina sy soatoavina Malagasy rahateo izy ireny ary fady ihany koa amin`ny mpianaka na mpianadahy. Manana andraikitra amin`izany ny mpisehatra amin`ny zavakanto, ny fahitalavitra ary ireo mpikirakira ny aterineto. Raha misy fandikan-dalàna dia handray andraikitra avy hatrany ny minisitera, araka ilay fanambarana. Amin`ny ankapobeny, esorina tsy ho mpikambana ao amin`ny OMDA ireo mpanakanto mamoaka horonantsary toy ireny, hoy hatrany ny minisitera. Andrasana izay mety hasetrin`ireo mpanakanto ity fanapahan-kevitra iray ity.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT