Actualités

Fampidiran-jiro Mahazo tombony ny Karana


  • Alatsinainy 26 Septambra 2016

Tapaka tampoka ny jiro tamin’iny faritra ambony, mahazo an’i Faravohitra sy Ambatovinaky iny ny antoandron’ny sabotsy 24 septambra 2016.


 Nametaka fitaovana toy ny « transformateur » hiantoka ny famatsian-jiro ny tranobe misy rihana maromaro, an’ny Karana, teo Ambatonakanga no antony. Trano vao naorina izy ity ary fahazoan-dalana nivoaka faha delegasiona manokana no nitantana ny tanànan’Antananarivo, no nanatanterahana azy. Niteraka fifandirana teo amin’ny manodidina io noho izy mandondona be, tsy tokony hanorenana trano mijoalajoala rahateo iny faritra iny. Niasa sabotsy ny Jirama, nikarakara ny fampidiran-jiro tamin’ity tranon’ny Karana ity. Midika izany fa misy herinarartra azo zaraina amin’ny mpanjifa ihany ao amin’ny Jirama. Maninona anefa ny mpanjifa Malagasy no ampiandrasina an-taonany vao tafiditra ny jirony, na efa voaloa izao aza ny vola saram-pampidirana azy ?

Jean D


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT