Nifampidinika teny amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra ny filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ireo mpandraharaha ny solika omaly alatsinainy 17 jona.
Novoizina tao anatin’ny fampitam-baovao fa nitana ny teny nomeny ny filoha Andry Rajoelina. Araka ny efa nambarany, tanjon’izao fihaonana izao ny tsy maintsy hitadiavana vahaolana hampihenana ny vidin-tsolika sy ny fampanofana ny milina ampiasain’ny orinasa Jirama. Nandritra ny andro voalohany, samy naneho ny heviny momba ny tokony ho rafitry ny vidin-tsolika ny an-daniny sy ny an-kilany. Tsy nisy anefa ny zavatra tapaka hatreto. Nambara fa misokatra ny adihevitra eo amin’ny roa tonta ka hitohy hatramin’ny alarobia ho avy izao ny fifampidinihana hijerena faingana ny marimaritra iraisana. Nanatrika ity fihaonana ity moa ny avy ao amin’ny VIVO Energy Madagascar, Total, Jovena, GRT, GPM, LPSA. Teo ihany koa ny praiminisitra Ntsay Christian, ny minisitry ny angovo, ny rano ary ny akoranafo ary ny minisitry ny fanajariana ny tany, ny trano ary ny asa vaventy. Hatreto, mafimafy ny adihevitra matoa tsy mbola nisy zavatra tapaka. Handrasana ny tohiny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.