Actualités

Fampidinana ny vidin-tsolika Mbola gidragidra be hatreto


  • Talata 14 Mey 2019

Ny 28 aprily no nilaza fa hampidina ny vidin-tsolika i Andry Rajoelina, saingy tsy nisy tohiny hatreto.

 

  Nitsefotra fa tsy nitovy tamin’ny dinika nifanaovana tamin’ny Vondron’ny mpampiasa nanaiky karama farany ambany 200 000Ar ve ny dinika tamin’ireo mpandraharaha ny solika ? Mbola gidragidra izany io hatreto. Singa 4 lehibe no mamaritra ny vidin-tsolika, dia ny vidiny tonga eny amin’ny seranan-tsambo, ny fitaterana sy ny fanatobiana, ny tombony alain’ny mpaninjara ary ny hetra. Miankina amin’ny sandam-bola Malagasy sy ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny vidiny tonga eny amin’ny seranan-tsambo ihany koa. Ny vidiny roa volana lasa no jerena raha te hamaritra ny vidiny ho an’ny anio. 433,32Ar isaky ny litatra no voalaza fa alain’ireo mpaninjara vaventy, toy ny Total, Galana, Jovenna,… tsy mbola nialan’ny masonkarena. Maka 64,37Ar kosa ny mpaninjara dia ireo tobin-tsolika. Ho an’ny hetra manontolo kosa dia 23% amin’ny vidin-tsolika. 54% amin’ny vidin-tsolika dia sarany, 23% hetra, 10% fitaterana ary 13% kosa ho an’ny mpaninjara. Raha io no raisina, ambaran’ireo mpandraharaha ny solika ho mbola ambany noho ny vidiny tena izy ny vidiny amin’izao. Ambany  anefa ny vidy hiaingana (prix de référence) satria manodidina ny 2000Ar izany, hoy kosa ny fanazavan’ny Pr Hery Ramiarison mpahay toekarena efa noresahina teto. Tsy tonga 1000Ar isaky ny litatra akory ny saran’ny fitaterana sy ny fitahirizana ary ny fitsinjarana. Ireo izany no tokony hahena ary fehezina ny sandam-bola malagasy tsy hitotongana. Notsindriany fa ankoatra ny hetra sy ny haba alain’ny fanjakana dia mampiakatra ny saran’ny solika ny tombombarotra midangana be alain’ireo kaompania tsy misy fifaninanana ireo, ka nilazany fa tsy mitombina ny fanazavan’ireo tompon’andraikitra milaza fa tsy mbola tokony ho izao ny saran’ny vidin-tsolika ary tena lavitry ny tena izy na ny “verité de prix”.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT