Actualités

Fampiasana ny teknolojia vaovao Nizara traikefa tamin’ny mpanao gazety ny orinasa Microsoft


  • Alarobia 03 Desambra 2014

Nisy omaly ny fizarana traikefa sy fampiofanana nataon’ny orinasa Microsoft tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy. Mahakasika indrindra ny fampiasana ireo « logiciel »

entina mikirakira ny fampahalalam-baovao sy  manampy amin’ny fanatanterahana ny asa amin’ny maha mpanao gazety.  Tamin’izany dia nisy ny  fampianarana  ireo karazana  teknika entina miaro ny toro  sy ny  hita isan-karazany  voarakitra mba ho azo kirakiraina sy zaraina amin’ireo liam-baovao. Nisy ihany koa ny fampafantarana  ireo hiaka farany amin’ny  teknolojian’ny fifandraisana ka tamin’ity indray mitoraka ity dia ny  « Lync » izany hoe : logiciel iray mahafehy ny fizarana  ara informatika misy  ka hifehezana  ireo   fampiarana misy eo amin’ny tontolon’ny informatika. Raha ny nambaran’ny  tompon’andraikitry ny orinasa Microsoft  eto Madagasikara Rtoa Rakotondrainibe Carole dia zava-dehibe ny fahalalan’ny mpanao gazety  ny  fomba entina miaro ireo toro sy vaovao kirakiraina ka antony lehibe hanaovan’izy ireo izao fizarana traikefa izao, satria ny mpanao gazety sy ny  teknolojia  vaovao dia tsy afa misaraka fa mifameno tanteraka. Mbola hisy ihany koa moa ny fampafantarana  ho an’ny  daholobe hataon’izy ireo.  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT