Efa mahafantatra ilay didim-panjakana tsy ahafahana mampiasa ny harona «sachet» manify latsaky ny 50 microns avokoa ny ampahany maro amin’ny Malagasy.
Niezaka ny nanaraka io lalàna vaovao io amin’ny ankapobeny ny fiaraha-monina nanomboka omaly. Betsaka tokoa ohatra ireo tahiry harona plastika kely hita tamin’ireo mpamongady teny amin’ny tsenan’ny «petite vitesse» saingy nanapa-kevitra ny tsy hampiasa izany intsony ny ankamaroan’izy ireo. Misy ihany koa anefa ny mbola mivarotra ireo tahiry sisa ambiny tsy lafo hamerenana masonkarena farafaharatsiny. Eo ihany koa anefa ireo sokajin’olona sahirana amin’ny tsy fahazoana mampiasa ity karazana harona ity intsony toy ireo mpivarotra hani-masaka samihafa hany ka voatery mandika lalàna ihany ho vola miditra sy ho fitsinjovana ireo mpanjifa. Tahotra ny sazy ara-bola miampy fanagadrana kosa no mahatonga ireo mpivarotra sasany manatanteraka avy hatrany ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fitondram-panjakana hanafoana ny fampiasana ity akora anisan’ny manimba ny tontolo iainana ity. Nijery ifotony ny zava-misy teny Ambohimirary, Ambondrona, Manjakaray, Analakely Centre Ville,Tsaralalàna, Andravoahangy tsena ary AnosibeTsena moa ireo tompon’andraiki-panjakana. Hetsika izay haharitra 4 andro.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.