Anisan’ny nanamarika ny raharaha fikasihan-tanana mpisolovava teny Antanimena ny sabotsy lasa teo ny fanambanana basy nataon`ny mpitandro ny filaminana iray.
Araka ny lalàna mifehy ny mpitandro ny filaminana, eo am-panatanterahana ny asany no afaka mitondra fitaovam-piadiana. Raha manamboninahitra lefitra na midina dia ny lehibeny no hangalany sy hanaterany ny fitaovam-piadiany miaraka amin’ny bala ary misy taratasy rehefa mivoaka sy miditra. Raha tsy eo amin`ny fanatanterahana ny asany ny miaramila iray no mihazona basy dia efa tsy voaaron’ny lalàna intsony. Tranga roa kosa no tsy azo ampiharana an`izay dia ny fahatrarana ambodiomby sy ny famaizana tsotra. Raha ity tranga tetsy Antanimena ity dia niseho avokoa ireo tranga ireo. Manampy trotraka izany koa ny tranga fandikan-dalàna. Maro no liana amin`ity raharaha ity satria mitombo hatrany ny mpanararao-pahefana. Raha olon-tsotra no sendra toy ireny, hisy ve ny fandraisana andraikitra mivantana toy izao ? Marihina fa ilay olona niharam-boina iny dia mpisolovava, izany hoe nanana ny fahefana niaro tena na dia nisy ny fanamparam- pahefana. Raha tany tan-dalàna tokoa i Madagasikara dia ny olona rehetra no tokony harovana toy izao fa tsy hoe natokana ho an`izay manana andraikitra ambony eto amin`ny tany sy ny firenena.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.