Actualités

Fampiasana akora simika Mila mahazo alalana mialoha


  • Talata 23 Septambra 2014

Tamin’ny taona 1997 ny firenena malagasy no namoaka lalàna mikasika ireo voka-dratsin’ny fiparitahan’ireo karazana akora simika.

Voarakitra ao anatin’ny lalàna 97-041 nivoaka tamin’io taona io avokoa ny momba ny fiarovana manoloana ireo loza mety ateraky ny fihanak’izany. Voakasik’ity lalàna ity ihany koa ny fitrandrahana am-pilaminana ny angovo nokleary. Voalaza mazava fa tsy maintsy mangataka alalana an-tsoratra mialoha eo anatrehan’ny Fahefam-pirenena misahana ny fiarovana sy antoka amin’ny fikirakirana akora simika eto Madagasikara ireo mpitrandraka na mpandraharaha eo amin’io sehatra io. Azo sokajiana ao anatin’izany, ohatra, ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany izay mitahiry akora simika mety hanapotika ny tontolo iainana sy hanimba ny fahasalaman’ny mponina ka mahatonga ny aretina homamiadana. Miatrika ny fivoriamben’ny Sampanasa iraisam-pirenena misahana ny angovo atomika na AIEA andiany faha-58 any Aotrisy manomboka anio moa ny iraka siantifika Malagasy avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana siantifika. Lohahevitra hasongadina mandritra ny roa andro ny «fanamby siantifika sy hairaha vahaolana azo antoka sy maharitra».

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT