Tandindomin-doza ny tontolon’ny fanabeazana any Alaotra. Toa tsy rototra amin’izany ny talem-paritra vaovao fa manilika ny andraikitra any amin’ny ambaratonga-drafitra. Sekoly roa no nambara taminy fa misy mitetika hanafoana noho ny ady tany dia ny any Ambendrana Andilamena sy ny ao Vohitravo Zap Ampitatsimo, ito farany izay efa nikatona mihitsy.
Tsy manana vahaolana anefa ny talem-paritry ny foibe fanabeazam-pirenena fa valy boraingina no nataony tamin’ireo mpanao gazety. Mijaly noho ny tsy fisian’ny taranja tantara sy jeografia ny mpianatra ao amin’ny kilasy T10II sy T10Veny amin’ny Lisea Ranohavimanana Ambatondrazaka nanomboka tamin’ny fidirana ny mpianatra, izay ilàna vahaolana haingana, toa mialangalana sy tsy taitra amin’izany anefa ingahy talem-paritra. Hanao ahoana izany ny ho avin’ny zanabahoaka any Alaotra Mangoro raha vao manomboka miasa ingahy talem-paritra no efa tsy mahavaha olana sahady ? Iza no hitarainana raha izy noheverina ho tompon’ny teny farany no manondrana. Ny fananany diplaoma kajy no ventesiny fa ilay vahaolana tadiavina tsy misy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.