Actualités

Fampianarana Maro ny sekoly gaboraraka


  • Sabotsy 01 Oktobra 2016

Betsaka ireo sekoly gaboraraka eto amintsika ka tsy maintsy sivanina, hoy ny Conforth na ny fikambanan’ireo fianarana sy olona mampianatra momba ny fizahantany mba tsy hamitahana ny mpianatra sy ireo ray aman-dreniny

 

. Sekoly miisa 22 no efa mivondrona ao anatin’ny fikambanana ankehitriny tao anatin’ny dimy taona nijoroany. Fenitra maro no handraisan’ny Conforth ireo hiditra ho mpikambana ao aminy. Lohalaharana amin’izany ny fanarahana ny fandaharam-pianarana  avy amin’ny minisiteran’ny fanofanana arak’asa, ny fenitry ny efitrano sekoly, tsy maintsy manaraka fiofanana ny mpampianatra ary tsy maintsy mahazo fankatoavana avy amin’ny fanjakana ilay sekoly. Manatanteraka ilay “Salon” andiany fahadimy etsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina izy ireo nanomboka omaly ary haharitra telo andro. Tanjona ny hanampiana ireo mpianatra amin’ny fitadiavana sekoly tena ara-dalàna eto amintsika amin’ny sehatry ny fizahantany, ny sakafo ary ny trano fandraisam-bahiny. Tombony manokana ho an’ny mpikambana moa ho an’ny Conforth ny fahafahan’ireo olona efa am-perinasa miverina manaraka fiofanana momba ireo zava-baovao manodidina ireo sehatra telo ireo.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT