Mitohy hatrany ny petatoko ataon’ny tompon’andraikitry ny fampianarana. Voalaza tamin’ny tetiandro taon-tsekoly 2016-2017 fa hisy ny fialantsasatry ny mpianatra ny 11 hatramin’ny 20 novambra noho ny andron’ny Frankofonia.
Maro aloha ireo sekoly tsy miankina no efa tsy faly tamin’izany satria ny ankamaroany dia vao niditra volana oktobra ka ahoana no hieritreretana fa iray volana aty aoriana dia hiato sahady ny fampianarana ? Sady raha andron’ny Frankofonia marina dia nahoana no folo andro be izao no hiato ny fianarana ? Niova indray anefa izany ary dia nandefa teny midina ny tompon’andraikitry ny fampianarana fa manomboka ny 21 novambra indray no hiato ny fampianarana, izany hoe : ao ankatoky ny Frankofonia. Fa maninona no aato ny fampianarana ? Dia ahoana ireo sekoly ivelan’Antananarivo, indrindra ny any ambanivohitra, izay tsy mahita akory ny mpizaika amin’izany Frankofonia izany ? Ary ho an’ny sekoly tsy miankina manokana, izay maro ny mpampianatra mandray karama isan’ora, hanao ahoana ny fiantraikan’izany tsy hiasa folo andro be izao nefa vao iray volana no niasana ?
Nangonin-dRabeso
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.