Tontosa ny herinandro teo ny fanadinana fihodinana voalohany notanterahin’ireo mpianatry ny CNTMAD manerana ny Nosy.
Tsy nahitana olana firy izany, hoy i Dr Djohary Andrianambinina, tale jeneralin’ity sekoly ambony amin’ny fampianarana ampitain-davitra ity. Nihena be ihany koa ireo mpanao hosoka satria hentitra ny fitsipi-pifehezana. Tonga maro ny mpianatra niatrika fanadinana, nahatratra 70% ny salam-pahavitrihan’izy ireo. Miomana amin’ny fanadinana fihodinana faharoa indray ny mpianatra ankehitriny. Nanambara moa i Dr Djohary Andrianambinina fa tsy mbola manana efitrano hanaovana ny fanadinana ny sekoly ambony CNTMAD fa mindrana trano amin’ny lycée na CEG misy azy ny mpianatra rehefa miatrika ny fanadinana. Ny 17 oktobra ho avy izao no hisokatra ny fisoratana anarana ho an’ny taom-pianarana vaovao 2016-2017.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.