Hifaninana ankehitriny ny fikarakarana hetsika isan-karazany. Ny tontolon’ny fampianarana ambony indray no ahitana azy raha ny sehatry ny hetsika ara-barotra no tena ahatarafana izany.
Mifanontona amin’ity fisasahan’ny herinandro ity avokoa mantsy ny hetsika roa mifandraika amin’izany. Manomboka anio hatramin’ny 9 septambra ny “Salon des étudiants” eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Mifanindran-dalana amin’izany dia ny alakamisy 8 septampbra ka hatramin’ny 10 septambra ihany koa no hatao ny « Salon de la rentrée universitaire » etsy amin’ny AFT Andavamamba izay ahitana sekoly ambony maro eto an-toerana sy aty amin’ny ranomasimbe indianina. Fianarana ambony miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana maro no haneho sy hampahafantatra ny mombamomba azy amin’ireo hetsika roa ireo ka anjaran’ny tanora ny manararaotra izany. Ho an’ny fianarana ambony miankina amin’ny fanjakana dia efa fantatra amin’izao fotoana izao fa tsy handray afa tsy mpianatra miisa 10 000 ny Oniversiten’Antananarivo amin’ity taom-pianarana vaovao ity.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.