Noho ny mahavoafetra ny isan’ireo tanora vao afaka fanadinana bakalorea hiditra eny amin’ny oniversiten’Antananarivo eny Ankatso ankehitriny dia nanapa-kevitra ny sampam-pianarana fitantanana ao amin’ny Degs izay tsy mahazaka afa-tsy mpianatra 1 000 noho ny fahateren’ny efitrano fianarana fa hosokafana
manomboka amin’ity taom-pianarana vaovao ity ny fampianarana ampitain-davitra izay voafarita ao amin’ny drafi-pirenena ho fampandrosoana eo amin’ny sehatry ny fampianarana ambony na ny PND. Hitovy tanteraka ny fampianarana atolotra ireo mpianatra tafiditra eny Ankatso sy ny homena an’ireo manaraka ny fampianarana ampitain-davitra. Hisaraka hanao fanadinana amin’ny andro mitovy izy ireo ary maripahaizana mitovy koa no ho azony. Efa misokatra ny fisoratana anarana amin’ity fomba fampianarana vaovao ity ary hifarana amin’ny 27 febroary izao ka andoavana sarany 280.000 Ariary isan-taona izy io. Marihina fa sady tsy hahazo vatsim-pianarana no tsy hahazo trano fonenana fanome ny mpianatra ireto misafidy ny fianararana ampitain-davitra ireto, araka ny fanazavana nomen’ny tomponandraikitra.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.