Tafiditra amin’ny fanatsarana ny voka-bary any amin’ny faritra Alaotra ny fanamboarana lakandrano mirefy 5 km.
Velaran-tanimbary hatrany amin’ny 600ha ao amin’ny sampanana Feramanga avaratra no heverina fa voaro amin’ny tondradrano sy ny bedana avy amin’ny fikojakojana ny lakandrano lehibe iray ao an-toerana. Tsy misy afa tsy 300 tapitrisa ariary ny vola avy amin’ny sampandraharahan’ny fambolena hahafahana mamita tanteraka ny asa, ka nisy ny tolotanana nataon’ny mpandraharaha Atoa Serge Egeka namita ny 1km fanampiny izay natao maimaimpoana ho fanampiana ireo tantsaha mivelona amin’izany faritra izany. Taorian’ny faharavan’ny orinasa Somalac dia tsy nisy fikitihana intsony io lakandrano io raha tsy tamin’ity taona ity. Hitondra aina vao ho an’ny tontolo famokaram-bary any Alaotra, araka izany, ny fahavitan’io lakandrano io. Nahazo tombony koa ny mpampiasa ny lalana RN44 mianavaratra satria afaka amin’ny ampahany ny olana ao amin’ny Kafe Feramanga.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.