Nanatanteraka fitsidihana tamim-pomba fifanajana ny filohan’ny antenimierandoholona Rivo Rakotovao sy ny mpiara-miasa aminy ny Mavoivohon’i Inde Abhay Kumar omaly.
Anisan’ny manana demokrasia lehibe indrindra eto an-tany ny Indianina ary manantena fiaraha-miasa lehibe amin’izany ity masoivoho ity. Tsy ho ela ny fiaraha-miasa amin’ny alalan’ireo antenimierandoholona Indianina sy Malagasy. Hisy ny fifanakalozana amin’ny alalan’ny fitsidihana. Mety hisy ihany koa ny fananganana vondrona iraisan’ny parlemanta roa tonta mba hisian’ny fifanakalozana traikefa. Fony aho minisitra no efa nanaraka ny tantarany. 1,4 miliara ny mponina any kanefa izy ireo dia mahavita tena ara-tsakafo ary manondrana aza, hoy kosa Atoa Rivo Rakotovao. Ataony mifanaraka amin’ny mponina sy ny filan’ny mponina sy ny fahaiza-manaony araka izay takany ny famokarany. Misy, ohatra, ny fananganana ozinina kely hahafahana manodina ny vokatra tsy ho simba sy ho very fotsiny. Izay no hifanakalozan-kevitra sy iaharaha-miasa ary azo homena ny hevitra. Tena zava-dehibe ny fanatsarana ny fambolena sy ny fiompiana ka raha eny an-dalana no handramana dia avy eo hesorina indray, dia tsy hita izay ezaka vita. Any amin’ny tontolo ambanivohitra isika no tokony hitodika, hoy ity lehibena andrim-panjakana ity.
Toky R sy Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.