Actualités

Fampandrosoana ny toekarena sy ny sosialin’ny mponina Mifanakalo traikefa ireo manampahaizana


  • Talata 13 Oktobra 2015

Hiankinan’ny fandrosoan’ny sosialin’ny mponina ny resaka tontolo iainana manerana izao tontolo izao. Raha mandroso mantsy ny toekarena nefa marefo avokoa ny mponina ao aminy noho ny haratsian’ny tontolo iainana dia tsy misy vokany amin’ny fampandrosoana ny firenena izany.

 

 Mba hahafahana mampitovy lanja ny toekarena sy ny sosialy ary ka  hahafahana manatratra  ilay tanjon’ny fampandrosoana maharitra na ilay fampandrosoana lovan-jafy (ODD) dia notanterahina nanomboka omaly teny amin’ny la residence Ankerana ilay atrikasa hiomanana amin’izany, hiarahan’ireo manampahaizana Malagasy miaraka amin’ireo manampahaizana avy any Comores sy La reunion ary Seychelles. Tanjona ny hahazoantsika ireo karazana paikady sy fitaovana hahafahana manao fitsirihana sy tomban’ezaka tamin’ny zava-bita mahakasika ny fanatsarana ny tontolo iainana hahafahana mibanjina ny zava-misy aorian’ity taona 2015 ity. Haharitra dimy andro izany, ka anisan’ny hanaovana fanatsarana manokana ny mikasika ny tontolo iainana manakaiky ny sosialin’ny mponina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT