Actualités

Fampandrosoana ifotony Sakana voalohany ny fanjakana foibe


  • Alarobia 30 Septambra 2015

Mampiavaka ny fitondrana Rajaonarimampianina amin’ireo mpitondra nifandimby ny maha tompondaka azy amin’ny fangatahan’andro sy ny firaikiraikena, hoy ny resaka mandeha eny anivon’ny fiarahamonina.

 

 

Tsy mahafehy ireo andraikitra takiana amin’ny fahefana mpanatanteraka kosa ireo tompon’andraiki-panjakana, araka ny fahitan’ny mpanara-baovao azy. Azo porofoina amin’ny tranga maro io tsy fahaizan’ny fanjakana foibe mitantana ny firenena io. Eo ny korontana eo amin’ny samy andrim-panjakana, ny tsy fisian’ny famatsiambola avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka vahiny na koa ireo fanapahan-kevitra tampoka samihafa tsy mifanaraka amin’ny lalàna velona eto Madagasikara toy ny sakana mihatra amin’ireo ben’ny tanàna vaovao voafidim-bahoaka ankehitriny hitondra ny fampandrosoana eny ifotony. Aorian’ny fihaonana eny Iavoloha ny 15 sy 16 oktobra 2015 moa vao mahazo mandray andraikitra ireto farany, hoy ny minisi-panjakana misahana ireo Tetikasan’ny filoham-pirenena, ny Fanapariaham-pahefana sy ny Fampitaovana teny Anosy omaly.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT