Tsy maintsy tontosa ny alakamisy teo avokoa farafahatarany ny fifamindram-pahefana teny anivon’ny kaominina tsy mbola nahavita izany. Notanterahana omaly mantsy ny lanonana ofisialy fametrahana ireo ben’ny tanàna vaovao notarihan’ireo solontenam-panjakana eny anivon’ny distrika isanisany toa an’Atsimondrano, Avaradrano, Ambohidratrimo na koa Arivonimamo.
Fe-potoana ofisialy ihany koa hanombohan’ireo olom-boafidy vaovao mpitantana ny kaominina hanatanterahana ireo asa samihafa hitondrana fampandrosoana eny ifotony. Manana ireo asa maika avokoa ireo ben’ny tanàna vaovao.
Rakotoarisoa Johnny (Mahereza-Ambohidratrimo) :« Ho vaindohan-draharaha ny lalana, ny rano, ny fanabeazana ary ny fanampiana ireo tantsaha mpamboly».SARY
Andriambolanarivo Parisoa (Imerintsiatosika-Arivonimamo) : «Ho laharam-pahamehana ny fanatsarana sy fanadiovana ny tanàna izay rakotry ny fako miaraka amin’ny fanamboaran-dalana».
Andriamiarisoa Tiana Lalao (Tsiafahy- Atsimondrano): “Tena asa maika ny fotodrafitrasa toy ny tohadrano, ny trano fidiovana ary ny rano fisotro madio ho an’ny mponina”. SARY
Ratianarivo Ndriamihaja Bruno (Ambavahaditokana-Atsimondrano): “Asa voalohany hotanterahana ny tohana ara-pambolena sy fiompiana, ny resaka fandriampahalemana ary ny fanazavana ny tanàna”.SARY
Ravoajanahary Herinaivo (Soalandy-Atsimondrano): “Hatomboka amin’ny lalana miaraka amin’ny tohadrano ary ny fijerena akaiky ireo fefiloha vaky ny asa eny an-toerana”. SARY
Ramiaranjatovo Marc (Alasora- Avaradrano): Samy hojerena miaraka avokoa na ny lafiny ara-toekarena na ny mahakasika ny sosialy. Ny tena akaiky indrindra dia ny fanampiana ny mpianatra amin’izao fidirana amin’ny taom-pianarana vaovao izao”.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.