Actualités

Fampandrosoana firenena Tsy afa-misaraka amin’ny kolontsaina


  • Alatsinainy 11 Aprily 2016

Potika tanteraka ny fihavanana sy ny firaisankina nampalaza ny fiarahamonina Malagasy hatramin’ny taona 2009. “

 

Nanimba zavatra betsaka tokoa mantsy iny korontana politika nitranga teto amin’ny firenentsika iny”, hoy ny lefitra voalohan’ny delege ao amin’ny Boriboritany I, Rakotomalala Hermenegilde. Zava-misy iainana andavanandro amin’izao fotoana izao, ohatra, ilay toetsaina mampisongadina ny gaboraraka sy ny tsy fanarahan-dalàna. Mbola sarotra hatreto ny fanarenana io fomba fijery tsy manaiky ny fandaminana sy ny lalàna velona mifehy ny tany sy ny fanjakana io. Tanjona lavitr’ezaka anefa ny ahatongavana amin’ny fampandrosoana maharitra eto Madagasikara saingy tsy ho tontosa izany raha tsy averina amin’ny toerana mendrika sy sahaza azy ny kolontsaina mampiavaka ny firenentsika. Tsy afa-misaraka toy ny vary sy rano mantsy ny fampivoarana ny fiainan’ny mponina sy ny fanajana ireo soatoavina tsy iombonantsika amin’ny hafa tahaka ny fandalan’ireo firenena goavana sy efa mandroso ny vakoka sy ny fomba amam-panaon’izy ireo, araka ny fanehoan-kevitr’ity tompon’andraikitra eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ity.   

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT