Firenena maro no efa nisitraka ny traikefan’ny profesora James Robinson. Ohatra amin’izany ireo firenena afrikanina toan’i Botswana, Repoblika Demokratikan’i Congo na koa i Nigeria.
Tranga niainan’ny mponina ao Lagos rahateo ny zava-misy eto an-drenivohitr’i Madagasikara ankehitriny, hoy ity mpahay politika sy toekarena Anglisy mpiara-miasa amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra ankehitriny ity. Nanjaka tao an-drenivohitra Nizerianina 20 taona lasa ny tsy fandriampahalemana na koa ny olana eo amin’ny lafiny famatsiana herinaratra. Anisan’ny tanàna tena misongadina eto Afrika kosa ity farany amin’izao fotoana izao. Tsy misy raikipohy mahagaga anefa ny fampandrosoana kaominina iray na firenena iray manontolo. Tsy ho tanteraka velively ny fampivoarana ny fiaraha-monina raha tsy mipetraka ny fomba fijery tokana mampanjaka ny firaisankinan’ny mpiara-belona, araka ny fanazavan-dramose mpampianatra ao amin’ny oniversiten’i Chicago any Etazonia. Tena ilain’i Madagasikara mihitsy ny asa mivaingana iarahan’ny mpitondra, ny mpanao politika ary ny vahoaka manatontosa, hoy kosa ny ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra Lalao Ravalomanana.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.