Navoaka tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ireo mpianatra miisa 25 eo anivon’ny CEDS (Centre d’Etudes Diplomatiques et Stratégiques).
Fampiofanana no nataon’izy ireo ary saika olona efa miasa any amin’ny sehatra maro samihafa ireto andiany mitondra ny anarana Gisèle Rabesahala ireto. Ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Christine Razanamahasoa no reny mpiahy azy ireo ary ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fiovaovan’ny toetr’andro no lohahevitra nentina tamin’ity lanonana ity. Nanambara ny reny mpiahy fa tena mbola vitsy ny fampiofanana sahala amin’itony eto Madagasikara ary tokony hisy ezaka manokana hampiroboroboana izany satria ny mpianatra mivoaka amin’ny sehatra tahaka izao no handray fanapahan-kevitra amin’ny lafiny politika sy ny fitantanana ny firenena rahatrizay.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.