Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny kianja Maitso eny Analamahitsy Cité ny talata 25 jona teo ny fikambanana ADAC (Association pour le Développement d’Analamahitsy Cité et ses environs), izay nitsangana ny volana mey 2019 teo.
Tsy manana firehan-kevitra politika fa misokatra ho an’ny sokajin’olona rehetra ka hanasana ny mponina tsy ankanavaka hiditra ao aminy. Tarigetra voizinay ny hoe : « Asa sy Dingana ho an’Analamahitsy Cité », ka hametrahanay io fokontany io ho maodely, hoy ny filohan’ny fikambanana Atoa Rakotoarivelo Jaques-Fréderic. Lafin-javatra maro no hisian’ny fiaraha-mientana sy fampandrosoana, toy ny ara-tsosialy, koltoraly, ara-piarahamonina. Misy ihany koa ny fiarovana sy fanatsarana ny tontolo iainana sy ny fotodrafitrasa, ary tsy latsa-danja amin’izany ny fifanampiana, toy ny fampidirana ireo zaza sahirana an-tsekoly, fanoratana ny kopiany na koa fikarakarana ireo hanao kara-panondro. Noho ny fetin’ny asaramanitra, dia nampifaly sy nizara vatomamy miampy arendrina ho an’ny ankizy ny ADAC. Boky hatrany amin’ny 200 isa ho an’ny ankizy kilasy faha-6 ka hatramin’ny famaranana ihany koa no natolotra hapetraka ao amin’ny Tranombokin’ny fokontany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.