Nifarana omaly ilay fihaonambem-pirenena momba ny tanŕn-dehibe andiany faharoa.
Nomen-danja manokana tamin’ny atrikasa fifanakalozana sy fakan-kevitra ireo tompon’andraikitra voalohany mitantana ireo kaominina ambonivohitra 172 manerana an’i Madagasikara. Nandrafitra ny 70%-n’ireo mpandray anjara rahateo ireo ben’ny tanàna avy amin’ireo tanàna manana mponina mihoatra ny 2 alina. Nisongadina tamin’ny fehin-kevitra nivoaka ny maha zava-dehibe ny fandrafetana politika miaraka amin’ny paikady sy ireo fepetra ary ny didy aman-dalàna ahafahana mamorona tanàna vaovao. Mifanindran-dalana amin’izay ihany koa anefa ny fananganana ireo fotodrafitrasa mifanaraka amin’ireo filan’ny mponina ao amin’ireo tanàn-dehibe isanisany. Izany indrindra no tsy mbola hisian’ireo fihaonambem-paritra hanangonana ireo soso-kevitra avy amin’ireo sokajin’olona tsy afaka niatrika ny fihaonambe nasionaly teto Antananarivo. Horafetina aorian’izay ny drafitra maty paika entina mampandroso ireo kaominina renivohitra eto Madagasikara hiatrehana ny fivoriambe iraisam-pirenena momba ny trano fonenana any Kyoto amin’ny taona 2016. Anisan’ireo firenena nanasonia voalohany io fifanarahana io isika tamin’ny volana jona 2015 saingy tara kosa amin’ny fampandrosoana ilaina mivaingana an-tanàn-dehibe.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.