Actualités

Fampandrosoana an’Antananarivo Nanao antso avo i Lalao Ravalomanana


  • Alakamisy 20 Aprily 2017

Nanomboka omaly 19 aprily 2017 ny 10 andro fivoriana ara-potoanan’ny filankevitra monisipalin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Nisantarana azy ny tatitra nataon’ny sekretera jeneraly Razafimahefa Heriniaina mikasika ny asa vitan’ny kaominina tamin’ny taona 2016.

Laharam-pahamehana tamin’izany ny fanamafisana ny fandriampahalemana niarahan’ny polisy monisipaly sy nasionaly, ny fanatsarana ny fiaraha-miasa teo amin’ny kaominina sy ny fokontany, ny fiarovana sy fisorohana ireo voina voajanahary, ny fanadiovana ny lalankely sy ny tsena, ny fifanampiana teo amin’ny Samva sy ny Apipa tamin’ny fanalana fako ary ny fanavaozana zaridaina sy fotodrafitrasa toy ny sekoly fanabeazana fototra. Nomen-danja manokana ihany koa ny fanatontosana tetikasa tamin’ireo mpiara-miombon’antoka tsy miankina toy ny orinasa, sampandraharaha sy fikambanana samihafa. Ezaka notontosain’ireo fitantanana na «direction» miisa 15 sy ireo boriborintany 6 izay niompana tanteraka tamin’ny vina napetraky ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Antso avo nataon’i Neny nandritra ny fanokafana ofisialy moa ny fanasoavana ny mponina sy ny fibanjinana miaraka ny fampandrosoana ny renivohitr’i Madagasikara. 

Nangonin-dRamano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT