Actualités

Fampandrosoana an’Antananarivo Hamerina ny traikefany I Dadavalo


  • Alatsinainy 03 Oktobra 2016

Fantatra nanomboka ny sabotsy lasa teo fa voatendry ho mpanolontsaina manokana eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Marc Ravalomanana.

 Efa avy ben’ny tanàna teto Antananarivo tenany ary niaraha-nahita ny fandrosoan’ny Renivohitr’I Madagasikara tamin’ny fotoana nitantanany. Nanana fomba fiasa haingana ary nipaka tamin’ny sarambabem-bahoaka izy, raha tsy hilaza afatsy ny fanamboarana fotodrafitrasa isika. Hiverina hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanarenana an’Antananarivo izay lasa nihemotra tanteraka vokatry ny gaboraraka teto amin’ny firenena indrindra fa taorian’ny taona 2009 ny tenany. Tsy vao izao Atoa Ravalomanana no hitondra ny traikefany amin’ny fampandrosoana ny Kaominina eto Madagasikara fa efa nisahana ny fitarihan-dàlana ireo ben’ny tanàna voafidy tamin’ny anaran’ny Antoko Tiako I Madagasikara tamina kaominina maro ny tenany ary nanofana azy ireo ho tena mpitarika sy tena hampandroso ny kaominina tantaniny. Maro ny manantena fa hitondra vokany tsara sy azo tsapain-tànana amin’ny fampandrosoana an’Antananarivo izao fitazomany ny andraikitry ny mpanolon-tsaina izao. Fantatra ny fahaizan’Atoa Marc Ravalomanana amin’ny fitadiavana mpiara-miombon’antoka noho ny fahatokisan’ny avy any ivelany azy ary inoana fa hitondra vahaolana amin’ny olana mahazo ny kaominina amin’izao fotoana izao, indrindra ny lafiny famatsiam-bola ny tenany. Tsapa ho tratry ny ankivy politika avy amin’ny fanjakana foibe ny Kaominina noho ny lonilony politika ny mpitantana ka zava-dehibe ny fananana olona mahay mifampiraharaha amina mpiara-miombon’antoka toa an’Atoa Marc Ravalomanana. Tsy vahiny amina resaka fampandrosoana rahateo ny tenany ka maro ny mandondom-baravarana hiara-hiasa aminy.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT