Actualités

Famotsorana ireo omby ao Antanimeva Manome herinandro ny FIMPIOMBY


  • Alakamisy 10 Oktobra 2019

Nambaran’ny FIMPIOMBY gasy “FIkambanan’ny MPIompy Omby gasy” niresaka tamin’ny mpanao gazety teto Antananarivo omaly fa ringana tanteraka ireo omby nogiazana farany,

 

tao amin’ny toby miaramila tao Antanimeva Morombe, tahaka an’ireo ombin’olona maromaro an’arivony efa niharan’ny trangan-javatra ihany koa. Fandrobana tsotra izao no nandraisan’ity fikambanana ity ny zava- nisy ka melohanay, hoy izy ireo. Naherihery aza ny filazana fa manome herinandro an’ireo tompon’andraikitra any an-toerana (Solombavambahoakan’i Morombe sy Toliara II ary ny filohan’ny Dinabe) izy ireo mba hamerenana ireo omby norobaina izy ireo sady mitaky ny hamerenana ihany koa ny fiara tsy mataho-dàlana roa giazana ao Antanimeva. Tena mila fikaonandoham- pirenena,  hoy ihany izy ireo, handinihana ny fandaminana ny fihariana omby eto Madagasikara. Mila firaisankina aloha ny mpihary sy mpiompy omby rehetra manerana ny nosy ary mangataka ny filoham-boninahitry ny fikambanana, Monja Roindefo, hanampy azy ireo amin’ny ady amin’ny tsy rariny manjo ary ireo izay nolazainy fa hoentin’izy ireo eny anivon’ny fitsarana ny raharaha mba tsy hisian’ny tsimatimanota intsony. Mety hitarika korontana ny tsy famerenana ny fananan’olona giazana, raha ny fanambarana omaly hatrany.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT