Actualités

Famoronana hetra Ny fitokisan’ny vahoaka no vahaolana


  • Sabotsy 12 Novambra 2016

Mbola adihevitra tsy mety tapitra eto amin’ny firenena ilay resaka fampandoavana hetra 5000Ar isan-taona ny olona 21-60 taona.

Toy izany koa ny amin’ireo biby mpiaro tanàna sy ny fitaovam-piadiana tsotra. Kendrena ny hampiditra ireo fitakian-ketra ireo ao anatin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola 2017. Tsy ny famoronana hetra vaovao no vahaolana fa ny famerenana ny fitokisan’ny vahoaka ny fitondrana, hoy i René Rasolofo, mpikamban’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita na CST teo aloha. Ny tsy fahatokisan’ny vahoaka ny fanjakana no mamparisarisa ny vahoaka handoa hetra. Tsy misy ny fangaraharahana ary iaraha-mahita fa tsy misy fiantraikany amin’ny sosialim-bahoaka mihitsy ny fandoavan-ketra eto amintsika. Firenena anisan’ny tsy mpandoha hetra indrindra i Madagasikara kanefa ilain’ny firenena ny fandoavana izany. Mila apetraka kosa anefa ny lamina sy ny fifampatokisana eo amin’ny entina sy ny mpitondra ka ho ara-drariny sy araka ny tokony ho izy ny fitantanana ireny vola alaina amin’ny olom-pirenena ireny. Mila fantany sy tsapany ny fiantraikany mba hiteraka faharesen-dahatra ho azy fa tsy atao an-terisetra. Raha izay no tafapetraka dia hilamina ny resaka fandoavan-ketra ary hitombo ny taham-pandoavana izany.

Toky R. 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT