Hentitra ny praiminisitra Ravelonarivo Jean amin’ny fananarana ireo mpitandro ny filaminana mihoa-pefy
. Nilaza koa izy fa voafehin’ny lalàna ny Malagasy rehetra ka tsy maintsy manaraka izany. Io no fanamarihana nataon’ny lehiben’ny governemanta momba ny fanakianana mivaivay mahazo ny mpitandro ny filaminana mpampandry tany any Ankazoabo sy ireo anisan’ny voampanga tamin’ny firaisana tsikombakomba tamin’ny famonona an’ny kapiteny Falihery. Momba ity raharaha farany ity moa dia fantatra tamin’ny alalan’ny fakam-baovao avy amin’ireo manodidina azy fa manaraka akaiky ity raharaha ity ny praiminisitra. « Efa mandeha ankehitriny ny fanadihadiana ka aoka isika mba samy hanana faharetana », hoy izy. Araka ny efa notaterina tamintsika dia misy olona maromaro no voarohirohy hiakatra fampanoavana. Marihina fa ny roa amin’ireo dia zandary ka tsy maintsy mbola iandrasana fahazoan-dalana avy amin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ny fanaovana fanadihadiana azy eny anivon’ny fitsarana. Ny mahavariana ny mponina ao Betroka dia misy amin’ireo olona voampanga no avo vava sahady fa sady manam-bola ana miliara, hono, no mahalala manampahefana ka mahasahy manivaiva ny mpanao fanadihadiana any an-toerana. Ny OMC any an-toerana moa dia sadaikatra satria nisy tamin’izy ireo no naheno resaka nataon’ny voapanga iray talohan’ny nahafaty ny kapiteny Falihery kanefa tsy afa-manoatra angamba noho ny tsindritsindry mahazo azy ireo.
Araka ny vaovao farany ihany koa dia eto an-drenivohitra ny ben’ny tanànan’i Ivaho izay voalaza fa niara-nanisa ny maty sy ny naratra niaraka tamin’ny kapiteny Falihery talohan’ny nahafatesany nandritra ny fifandonana tamin’ny dahalo tao Ivahona. Tsy mety miresaka amin’ny mpanao gazety moa io ben’ny tanàna io izay anisan’ny mifandray akaiky amin’ireo mponina avy any Andriry ka tena mahalala tsara ny fiaimpiainan’izy ireo.
Ra-bri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.