Actualités

FAMONOANA ZAZALAHY 14 TAONA Mitaky fitsaram-bahoaka ny mponina ao Mahajanga


  • Zoma 12 Desambra 2014

Nisavorovo indray ny tao Mahajanga omaly alakamisy maraina mikasika ilay raharaha nahafatesana zazalahy 14 taona tao amin’ny fokontany Mahavoky- Avaratra ny folakandron’ny alarobia

. Raha ny zava-misy dia mpiasan’ny renin’ilay zazalahy ihany no nahavanon-doza. Tsy hita anefa ity farany taorian’ny namonoana ilay zaza. Tezitra ary nalahelo ny zava-nitranga ireo vahoaka ao Mahajanga mikasika ity raharaha ity ary takian’izy ireo ny hanaovana fitsaram-bahoaka aorian’ny fotoana hahitana ilay nahavanon-doza. Hatramin’izao dia mitohy ny fikarohana ny mpitandro ny filaminana ao an-toerana an’io olona namono ny zaza io. Mitaky ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka ihany koa ny zandary ao an-toerana mba ahafahana misambotra ity farany. Raha ny fantatra dia mipetraka tsy lavitra ny toerana misy ny ray aman-drenin’ilay zaza ihany ity ramatoa namono ny zanany ka ao amin’ny fokontany Mahavoky Avaratra ihany.

                                                                                                                            

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT