Actualités

Famonoana vazaha tao Sainte-Marie Hatolotra ny Fampanoavana anio izy sivy voarohirohy


  • Alatsinainy 05 Septambra 2016

Nahita sambokely ihany ny Fanjakana nitondrana ireo voarohirohy tamin’ilay famonoana tamin’ny fomba feno habibiana vazaha frantsay roa, Magalie sy Romain, ny 21 aogositra 2016 tany Sainte-Marie,

taorian’ny familafilana nataon’ireo tompon-tsambo sasany hitondrana azy sivy mianadahy hiatrika ny Fitsarana ao Toamasina. Ny sambokely “El Condor” no nanaiky hitondra azy ireo, ka ny sabotsy tamin’ny 3 ora maraina no niala tao Sainte-Marie, taorian’ny fifampiresahana teo aminy sy ny fitsarana ary ny tompon’andraikitra ara-panjakana tany an-toerana. Nanome tanana tamin’ny fiantohana ny saran-dalan’izy ireo ho tonga ao Toamasina ny Faritra Analanjirofo. Anio no hiseho eo anoloan’ny Tonia mpampanoa lalàna izy sivy ireo. Nilaza ny komandin’ny fari-piadidian’ny zandary izay mitantana ny Emmo-Far Toamasina, Kly Gele Serge, fa handray ny andraikiny izy ireo raha misy ny fanakorontanana. “Tsy tongatonga ho azy ireny vono olona ireny fa nisy antony tao ka tsy maintsy tadiaviana ny marina”, hoy izy. Mbola andrasana ihany koa ao anatin’ny antontan-taratasin’ady ny valin’ny fitiliana ataon’ny Fampanoavana frantsay amin’ny resaka “ADN” nalaina tamin’izy sivy mianadahy sy tamin’ireo teratany frantsay maty ireo.

Rakoutou


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT